Mark 5

1Tonga teny ampitan’ny ranomasina izy ireo, tao amin’ny faritr’i Gerasena. 2Rehefa niala avy tao amin’ny sambokely Jesosy, avy hatrany dia nisy lehilahy iray azon’ny fanahy maloto nanatona Azy avy teny amin’ny fasana.

3Nipetraka teny amin’ny fasana ity lehilahy ity. Tsy nisy afaka nihazona azy intsony, na dia tamin’ny rojo vy aza. 4Voafatotra imbetsaka tamin’ny gadra vy sy rojo vy izy. Notapahany ireo rojo ary potika ireo gadra vy. Tsy nisy nanana hery nifehy azy.

5Isak’alina sy isan’andro teny amin’ireo fasana sy teny an-tendrombohitra, dia nihiakiaka izy ary nandratra ny tenany tamin’ny vato maranitra. 6Rehefa nahita an’i Jesosy avy lavitra izy, dia nihazakazaka nankeo aminy ary niankohoka teo anoloany.

7Ary nihiaka tamin’ny feo mahery izy hoe: “Inona moa no ifandraisako aminao, ry Jesosy, Zanak’ Andriamanitra Avo Indrindra? Miangavy anao amin’ny anaran’Andriamanitra irery ihany aho, aza mampijaly ahy.” 8Fa Izy niteny taminy hoe: “Mivoaha amin’io lehilahy io, ry fanahy maloto.”

9Ary Izy nanontany azy hoe: “Iza no anaranao?” Ka novaliany hoe: “Legiona no anarako, satria marobe izahay.” 10Ary niangavy mafy Taminy hatrany hatrany izy tsy handroaka azy ireo any ivelan’ny faritra.

11Ary nisy andian-kisoa niraoka teny an-tendrombohitra, 12ary niangavy taminy izy ireo, nanao hoe: “Alefao ao amin’ireo kisoa izahay; avelao izahay hiditra ao amin’ireo.” 13Ka dia navelany izy ireo; ary nivoaka ireo fanahy maloto ka dia niditra tao amin’ireo kisoa, ary avy dia nirifatra teny amin’ny hantsana ho any an-dranomasina ireo, ary kisoa teo amin’ny roa arivo teo no maty an-dranomasina.

14Nitsoaka nandositra ireo nampisakafo ny kisoa ary nitatitra ny zava-niseho tao an-tanàna sy tany ambanivohitra, ary olona maro no nivoaka hizaha ny zava-niseho. 15Avy eo izy ireo nankeo amin’i Jesosy ary hitan’izy ireo ilay lehilahy nitoeran’ny demonia, ilay iray izay nitoeran’ny legiona, nipetraka teo, nitafy ary vory saina; ka dia natahotra izy ireo.

16Ireo izay nahita ny zava-niseho tamin’ilay lehilahy nitoeran’ny demonia dia nitantara tamin’izy ireo ny momba izany tamin’ny antsipirihiny, ary koa nitantara momba ireo kisoa tamin’izy ireo. 17Dia nanomboka niangavy Azy izy ireo mba hialany eo amin’ny faritr’izy ireo.

18Rehefa hiakatra tao amin’ny sambokely Izy, dia niangavy taminy ilay lehilahy nitoeran’ny demonia mba hiaraka aminy. 19Saingy tsy namela azy anefa Jesosy, fa nanao taminy hoe: “Mandehana mody any amin’ny tranonao sy ny fianakavianao ary tantarao amin’izy ireo izay nataon’ny Tompo taminao, sy ny namindrany fo taminao!” 20Dia lasa nody izy ary nanomboka nanambara ny zava-dehibe izay nataon’i Jesosy taminy tany Dekapolisy, ary talanjona ny rehetra.

21Ary rehefa nandeha teny am-pita indray Jesosy, tamin’ny sambokely, dia indreo nisy vahoaka be dia be niangona nanodidina Azy, raha teo amoron’ny ranomasina iny Izy. 22Avy eo tonga ny iray amin’ireo mpitarika ny synagoga, atao hoe Jairo, ka raha vao nahita Azy, dia niantoraka teo an-tongony. 23Nitalaho hatrany hatrany izy, nanao hoe: “Marary mafy efa ho faty ny zanako vavy. Mitalaho aminao aho, avia ary apetraho aminy ny tananao mba ho sitrana sy ho velona izy.” 24Dia lasa niaraka taminy Izy, ary vahoaka be dia be no nanaraka sy nanery nanodidina Azy.

25Ary nisy vehivavy iray teo voan’ny fahaverezan-drà nandritry ny roambinifolo taona. 26Nijaly be tokoa izy ary nitety mpitsabo maro sy nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nahita fahasitranana fa vao mainka aza niharatsy. 27Rehefa nahare ireo tatitra momban’i Jesosy izy, dia nankao aoriany tao anaty vahoaka izy ary nikasika ny fitafiany.

28Satria hoy izy hoe: “Raha mahakasika ny lambany fotsiny aho, dia ho sitrana.” 29Rehefa nikasika Azy izy, dia nijanona ny fahaverezan-drà, ary tsapany hatrany anatiny fa sitrana tamin’ny aretiny izy.

30Fantatr’i Jesosy niaraka tamin’izay fa nisy hery niala avy taminy. Nitodika tany amin’ny vahoaka Izy ary niteny hoe: “Iza no nikasika ny fitafiako?” 31Dia namaly Azy ireo mpianany hoe: “Hitanao ireo vahoaka marobe mifanesika aminao ireo, koa hoy Ianao hoe: “Iza no nikasika Ahy.” 32Fa nijery ny manodidina Azy Jesosy mba hahitany izay nanao izany.

33Ilay vehivavy, nahafantatra izay nitranga taminy, dia natahotra sy nangovitra. Nandeha izy ary niantoraka teo anoloan’i Jesosy ka nilaza taminy ny marina rehetra. 34Dia hoy Jesosy taminy hoe: “Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao. Mandehana amin’ny fiadanana ary sitràna amin’ny aretinao.”

35Raha mbola niteny Izy, dia tonga ny olona sasany avy tany amin’ny mpitarika ny synagoga, nanao hoe: “Efa maty ny zanakao. Nahoana no mbola manahirana ny mpampianatra ihany?”

36Fa rehefa nandre izay nolazain’izy ireo Jesosy, dia hoy Izy tamin’ilay mpitarika ny synagoga hoe: “Aza matahotra. Minoa fotsiny ihany.” 37Ary tsy nisy navelany hiaraka aminy, afa-tsy Petera, Jakoba, ary Jaona, rahalahin’i Jakoba. 38Tonga tany an-tranon’ilay mpitarika ny synagoga izy ireo ary nahita olona nitabataba be teo Izy; nitomany sy nidradradra mafy izy ireo.

39Rehefa niditra ny trano Izy, dia hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty ny zaza fa matory.” 40Niomehy Azy izy ireo. Nefa navoakany tany ivelany izy rehetra ary naka ny ray sy renin’ilay zaza sy ireo izay niaraka taminy, ary niditra tao amin’ny efitra nisy ilay zaza Izy.

41Noraisiny ny tanan’ilay zaza ary niteny taminy hoe: “Talita, Komy!” izay raha adika dia hoe: “Razazavavy, miteny aminao Aho, mitsangàna.” 42Avy hatrany dia nitsangana razazavavy ary nandeha (satria roa ambin’ny folo taona izy). Talanjona avy hatrany izy ireo. Noraràny mafy izy ireo mba tsy hisy na iza na iza hahafantatra ny momba izao. Avy eo dia nasainy nomena hanina razazavavy.

43

Copyright information for PltULB